Lahateny nentin’Andramatoa Edgard Razafindravahy, 3octobre 2018

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Ianareo mpiara-dia rehetra ato amin’ny ADN,
Ianareo tanora MARoY novolavolain’ny antoko,
Ianareo resy lahatra amin’ny fanorenana ifotony
Ianareo rehetra vonona hametraka ny Vatofantsiky ny fanorenana,

Miarahaba anareo tonga soa ato amin’ny Dôme Rta amin’izao tolakandro izao ny tenako.

Fotoana sarobidy hanambarako amin’ny Vahoaka Malagasy rehetra anio fa hipetraka eny amin’ny Fokontany rehetra manerana ny Nosy ny Vatofantsika ho an’ny fanorenana ifotony.

Hanontany ianao hoe inona ny “Vatofantsika”?

Io no fototra ifaharan’ny fanorenana ifotony.
Tsy lavabe fa tsotra, tsy ampiasana saina lalina fa atosiky ny tena fitiavan-tanindrazana

Tsy ilàna fahaizana tampi-trohatra, tsy ilàna fampanantenana poakaty.

Tsy ampisaraka ny Malagasy fa hamerina ny hasin’ny fihavanana, ny trano atsimo sy avaratra ka izay tsy mahalen-kialofana

Tsy mila politika avo lenta, fa fiarahana manapaka miainga amin’ny teny ierana.

Tsy ho azon’iza n’iza ravana na elingelenina satria mafy orina, lavitry ny adilahy politika aty an-tampony
Vatofantsika hifaharan’ny fahefan’ny mponina eny ifotony.

Io no fitaovana mahomby hiarahan’ny besinimaro mandray an-tànana ny ho aviny

Tsy hilaza intsony izy fa “tany lavitra andriana”, satria ny andrianany dia ny tanànany, ny fokontaniny, ny tany hamokarany sy ny harena eo aminy

Tsy hitaraina intsony izy fa lasan’ny olom-bitsy ny fananany satria izy no hiaro azy.

Tsy hiandrandra fifidianana olon-tokana intsony izy satria lavitra azy izany, tsy mahalala ny fisiany akory.

Ny ho ao an-tsainy dia manana Vatofantsika izy, matanjaka, mahery. Afaka misedra ny fitsapana rehetra.

Na inona na inona olana sedrainy na aram-piarahamonina tahaka ny tsy fisian’ny fandriampahalemana, na olana aram-pihariana dia manana hifaharana ny mponina manana ny Vatofantsika.

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Tafita manerana an’I Madagasikara ny hafatra nentin’ny antoko ADN fa tolotra politika vaovao no ahafahana manarina an’I Madagasikara

Nitety an’I Madagasikara aho, nilaza tamin’ireo mponina notsidihiko fa mbola misy ny fanantenana.

Nandresy lahatra ny mpanao politika ny tenako, nandresy lahatra ny mpitondra fiangonana, ny fiarahamonim-pirenena, ny raiamandreny ara-drazana, ny olom-pirenena tsotra fa tsy azo ihodivirana ny fanorenana ifotony.

Mizara ny làlana, misy ny manaiky hijanona amin’ny hitsin-dàlana mahazatra hatramin’izay.

Ny tenako kosa dia nanapa-kevitra ny hiverina eny ifotony ary hametraka miaraka amin’ireo tsara sitrapo rehetra ny Vatofantsiky ny fanorenana

Hiaraha-manendry eny anivon’ny fokontany ny “mpitari-dàlana ifotony”.

Hatsangana isam-pokontany ny “Tafika ho an’ny fanorenana”

Ny mpikambana ao anatiny no handinika maika amin’ny alalan’ny teny ierana ny fandaminana rehetra tokony ho atao.

Io ady amin’ny fandaminana io no ho apetraky ny Vatofantsika ho laharam-pahamehana

Aoka tsy ho raisina am-bolony ny hevitry ny hoe “Tafika”.
Tsy hampiasa herisetra izany, tsy ampiasa fitaovam-piadiana fa “tafika hanorina, hanarina ny rava”

Ny hevitra iraisana, ny fandaminana ny fiarahamonina, ny fijerena maika ny ho avy no ho sahaniny.

Rehefa tafapetraka soa aman-tsara ny Vatofantsika isam-pokontany, dia hiaraka handinika ny hitondrana ny tohiny rehetra.

Hanamafy ny tanjaky ny fahefan’ny mponina eny ifotony ny Vatofantsika, minoa ahy ianareo.

Izany no tena fahefana manaka-danitra fa tsy ny fahefana mety heverin’ny tsirairay amintsika fa tokony ekena hitondrana ny firenena

Raha natanjaka hatramin’izay ny fahefan’ny mponina eny ifotony, tsy tahaka an izao ny toerana misy ny firenetsika

Hamaranako azy dia misaotra sahady aho an’ireo efa manolo-tena rehetra hametraka ny Vatofantsika.

Manentana an’ireo manam-panahy rehetra hizotra ho any amin’ny làlan’ny fandresena

Fa ny fandresena no fetra ho an’ny fanorenana ifotony.
Mankasitraka anareo rehetra nihaino tamin’ity tolakandro ity.

Mirary ny hananan’ny Malagasy rehetra tolo-tsaina avy amin’ilay Nahary, hanohizana ny Tolona Masina iarahantsika

Misaotra Tompokolahy sy Tompokovavy

 

ADN, c'est votre parti !